Hanamafy traikefa any Etazonia ny inspektera Ranjaharimalala Raharinoely Sophie. Hanatsara ny fomba fiasa eo anivon’ny polisim-pirenena eto Madagasikara izy rehefa tafaverina.
Voafantina handray anjara amin’ny “FBI National Academy Program” ao Quantico, any Etazonia, ny inspektera Ranjaharimalala Raharinoely Sophie. Toeram-piofanana anisany manan-danja indrindra amin’ny fampiharana ny lalàna ny ao Quantico.
Miisa 260 ireo manamboninahitra mpampihatra lalàna avy any Etazonia sy manerana izao tontolo izao no hiaraka aminy hanaraka fiofanana ara-tsaina sy ara-batana ao. Anisan’izany ny fanofanana amin’ny fahaiza-mitarika, ny siansan’ny fitondran-tena, fampianarana momba ny fitaovam-piadiana sy fanazaran-tena ara-batana.
Hianatra manokana momba ireo fomba fiasa mahomby, ho fanatsarana ny fitantanan-draharaham-pitsarana ao amin’ny sampandraharahan’ny polisim-pirenena eto Madagasikara ny tenany.
Hanamafy ny fahaiza-manaony momba ny fenitry ny fampiharana ny lalàna sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena momba izany fampiharana ny lalàna izany koa.
Notendren’ny lehibeny hanaraka ity fiofanana ity ny inspektera Ranjaharimalala Raharinoely Sophie ho fankasitrahana azy noho ny fahaiza-mitarika miavaka nasehony. Efa namafisiny rahateo nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny programa “Yali Mandela Washington Fellowship”, ny taona 2022, izany.
Tao no nahazoany traikefa sarobidy tamin’ny fanentanana ny polisy sy ny fiarahamonina, ny fanaraha-maso sivily ny sampandraharahan’ny polisy ary ny fampiroboroboana ny fahaiza-mitariky ny vehivavy amin’ny fampiharana ny lalàna tao amin’ny sampandraharahan’ny polisy tao Philadelphia.
Niarahaba manokana ny inspektera Raharinoely ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, mialohan’ny niaingany ho any Etazonia ary nirary soa ho azy ho tafita soa amin’ity fandaharanasa manan-danja ity.
Tatiana A