Hentitra ny CUA amin’ny fampanajana ny lalàna efa napetraky ny CMH momba ireo karazam-pako tsy tokony hariana eny amin’ny dabam-pako eny anivon’ny fokontany. Iharan’ny sazy ireo minia manao izany.
Namerina nampahatsiahy ny kaominina Antananarivo Renivohitra mahakasika ireo karazam-pako tsy tokony hariana eny amin’ny dabam-pako iombonana eny anivon’ny fokontany.
Efa voarakitra ao anatin’ny Fifehezam-pitsipika monisipaly fikoloam-pahasalamana (CMH) izay efa nozaraina teny amin’ny fokontany ary nampahafantarina ombieny izany.
Ny andininy faha-16 ao amin’ny CMH dia milaza fa ny fako mivaingana dia taterin’ny tompony avy hatrany eny amin’ny tobim-pakon’Andralanitra fa tsy ariana eny amin’ny daba eny amin’ny fokontany velively. Misy ny taratasy fenoina raisina eny amin’ny SMA amin’ny fanatanterahana izany.
Voakasik’izany karazam-pako tsy maintsy ariana mivantana eny Andralanitra izany ny fotaka, ny fako mivaingana rehetra, ny amany sy diky, ny tapa-biriky, fanitso, tavoahangy, poti-by, vatokely, fatin’entana, ireny bozaka avy nosorohina ireny, fakon-jaridaina na voninkazo…
Toraka izany ny kodiarana tonta, ny baoritra, ny fakon’ny toeram-pitsaboana sy ny orinasa mpanodina izany, ireo poti-javatra mety hanimba ny fahasalamana any anaty dabam-pako iombonana.
Ireo karazam-pako ireo dia aterin’ny tompony na orinasa na ny sampandraharaha misahana ny fanadiovana ka andoavany vola izany mankany amin’ny fitobiam-pakon’ Andralanitra.
Voarara ihany koa ny manipy fako eny amin’ny lalam-bahoaka na any anaty lakandrano.
Voarara ny fandorana fako amin’ny fomba rehetra raha tsy nahazo alalana avy amin’ ny CUA.
Ny fandikana ireo lalàna ireo dia miteraka fanasaziana ara-panjakana mifototra amin’ny fitandroana ny fahasalamam-bahoaka amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fahadiovan’ny toerana miampy fandoavana vonodina mifanandrify amin’izany.
Tatiana A