Noho ny areti-maso : voarara ny fivorivoriana

Namoaka naoty ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly, fa voarara ny fanaovana hetsika famoriam-bahoaka isorohana ny fihanaky ny valanaretina, indrindra ny areti-maso izay mivaivay amin’izao fotoana.
Mila hajaina koa ny sakana ara-pahasalamana rehetra hanapahana ny rohy fiparitahany. Tsy azo hatao, araka izany, ny fivorivoriana amin’ny endriny rehetra ho fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana.
Fotoana fanaovana fivoriana ho fifampiarahabana tratry ny taona izao ho an’ny orinasa sy ny minisitera na ho an’ny fianakaviana tsotra. Voarara, araka izany, ny fanangonan’olona sy mampisy fifampikasohana.
Haingam-pamindra ilay areti-maso. Ny fifampiarahabana, fifanorohana sy ny fifamihinana dia anisan’ny mamindra ny aretina ka tokony ho fadiana. Mila entanina ihany koa ny ankizy any an-dakilasy tsy hifampindrampindrana fitaovana sy hifampitakosina mba hisorohana ny aretina.

Tatiana A

Partager sur: