Famatsiana fanafody amin’ny drone: maherin’ny 3 900 ny sidina vita tamin’ireo faritra 5 niasana

Manampy fianakaviana maro any ambanivohitra amin’ny sehatry ny fahasalamana ny fampiasana drone.

Nanao tombana ny zava-bita tamin’ny fampiasana drone ny masoivoho amerikanina nandritra ny fitsidihana ny orinasa AerialMetric izay manamboatra drone.
Fantatra, tamin’izany, fa nahavita sidina 3 900 ireo drone miasa hamatsiana fanafody sy vaksiny ary kojakoja ilaina amin’ny fahasalamam-bahoaka. Distrika 14, manerana ny faritra 5 no nanaovana ny asa. Afaka mitondra entana 10kg ny drone misidina indray mandeha. Afaka mandeha hatramin’ny halavirana 100km ihany koa. Maherin’ny 6 000 kg kosa ireo entana voatatitra tao anatin’izany sidina izany.
Nahafahana nanao vaksiny ankizy miisa 476 000 any amin’ireo toerana tena saro-dalana ny famatsiana fanafody tamin’ny alalan’ny drone. Vaksiny covid miisa 49 000 daozy ihany koa no afaka nositrahan’ny olona tany ambanivohitra alavitra indrindra.
Manokatra sehatra vaovao hiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ity teknolojia ity. Ny fanjakana malagasy izay mikatsaka ny fanatsarana ny famatsiana eo amin’ny sehatra nasionaly sy ny fampitomboana ny tolotra ara-pahasalamana any ambanivohitra.
Nandritra ny fitsidihana nataon’ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, no nilazany fa fitaterana vokatra ara-pahasalamana sy ara-barotra ary vonjy taitra, fa eo indrindra koa ny famendrahana fanafody iadiana amin’ny tazomoka, ny drone.
Mahavonjy ireo vondrom-piarahamonina lavitra sy saro-dalana izany ary manavotra ain’olona maro. Afaka nisitraka ireo karazana fandrindram-piterahana ihany koa ny olona any amin’ny toerana lavitra amin’ny alalan’ny fampiasana drone.

Tatiana A

Partager sur: