Fianarana teny japoney: mitantara ny niainany tany Japana i Tafita

Taona fahatelo ao amin’ny fakiolten’ny teny sy siansa maha olona an’ny Oniversiten’Antananarivo i Tafita ary ma­naraka ny lalam-piofanana teny Anglisy sy Japoney. Nahazo vatsim-pianarana herintaona avy amin’ny fanjakana japoney izy, ka nihazo an’i japana, ny volana septambra 2022, mba hianatra sy handalina ny teny sy kolontsaina japoney tao amin’ny Doshisha University, Kyoto.
Efa tafaverina eto Madagasikara i Tafita amin’izao fotoana. Nandritra ny fijanonana tany Japana dia maro ny traikefa azony na teo amin’ny lafiny fianarana na fiarahamonina na koa fifandraisana.
Manaja sy miaro ho toy ny anakandriamaso ny kolontsainy ny japoney ary mahay mampiaraka izany amin’ny fandrosoana. Hita taratra izany tamin’ireo karazana fety (matsuri) isan-karazany izay notsidihiny.
Na dia tsy azo ihodivirana aza ny fandrosoana dia tsy very ary manan-danja ny fomban-drazana sy fomba amam-panao ho an’ny Japoney.
Mahavariana ny fanehoana ny hatsarana sy ny fianohana ary hakanto amin’ny zavaboary. Mifanaraka amin’ny fihodin’ny vanim-potoana izany.
Na dia kolontsaina sy teny Japoney aza no vontoatin’ny vatsim-pianarana azon’i Tafita dia fanararaotra iray nampisokatra ny saina tamin’izao tontolo izao ihany koa ny fianarana natao tany Japana.
“Lavo impito miarina imbalo”, io no oha-pitenenana iray an’ny japoney nentin’i Tafita hampaherezana ny tanora hazoto hianatra.

Tatiana A

Partager sur: