Manao ranolava ny fanampiana avy amin’ireo malala-tanana ho an’ireo traboina vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Alvaro farany teo. Ny alarobia teo, nanolotra vary milanja 23 taonina sy menaka fihinana 920 litatra ary tsaramaso milanja 4,6 taonina ny masoivon’i Chine. Iandraiketan’ny BNGRC ny fitsinjarana ny fanampiana amin’ireo traboina, arakaraka ny filàna maika.
Mariky ny fifamatoran’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine sy i Madagasikara ny fifanohanana.
Maneho fahavononana hatrany i Chine amin’ny fiaraha-mientana amin’ny fanampiana ireo traboina sy tratran’ny loza voajanahary.
Tsiahivina fa olona 10 no namoy ny ainy nandritra iny tranga voajanahary iny, olona 25 837, tokantrano 5 900, ireo traboina. Tsy maintsy nafindra toerana kosa ireo olona 9 528 tamina tokantrano 2 003 ka napetraka vonjimaika amina toby 36.
Tatiana A