Tily eto Madagasikara: Skoto maherin’ny 5 000 hankalaza ny faha-100 taona

Ny 27 janoary izao no hanamarihina ny faha-100 taonan’ny skoto, Tily, eto Mada­gasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, Mahamasina, ny hetsika fanokafana izany amin’ny fomba ofisialy fa hisy ihany koa manerana ny distrika.
Maherin’ny 5 000 ireo sko­to andrasana eny Mahama­sina amin’io.
Aorian’ny fanompoam-pi­vavahana, hisy ny foaraben’ny Tily, hanasongadinana ny ta­len­ta sy ny fahaiza-manaon’ireo ta­nora skoto manerana ny Nosy.
Mandritra ity taona ity, hisy hatrany ny hetsika fanamarihana ny faha-100 taona izay hi­ompana hatrany amin’ny hetsika ara-pinoana sy ara-panabeazana fa indrindra ny asa sosialy sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Maro ireo karazana hetsika hatao manerana ny distrikan’ny skoto. Misy ny fiantsoana ny Tily rehetra manerana ny Nosy sy ny any Eoropa, ny 1 ka hatramin’ny 5 aogositra izao hanao fihaonambe eny Fi­haonana, PK 52.
Araka ny foto-pisainana skoto hoe “Vonona hatrany hatrany”, efa manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha mahakasika ny fisian’ny valanaretina mahazo ny maso “conjonctivite bactérienne”, eto Madagasikara, ny Tily.
Ho raisina ny fepetra ara-pahasalamana rehetra mandritra ny fikarakarana io fotoan-dehibe io, araka izay toromarika ho avoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Tatiana A

Partager sur: