Toetr’andro: mihaodihaody ny rivodoza manaraka

Nampahafantatra ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandria­nom­by, omaly, fa misy rivodoza mihaodihaody ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Oma­ly, any amin’ny 950km avaratra atsinanan’Antalaha ny foibeny.

Rivodoza faharoa nipoitra tamin’ity vanim-potoana fahavaratra ity io miforona io, aty amin’ny fari-dranomasina ma­nodidina an’i Madagasikara. Miha mitombo hery ity rivodoza ity ka hahazo anarana miandalana.

Vinavinaina tsy hanambana an’i Madagasikara ilay rivodoza raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hizotra mianatsimo ka ha­nambana ny Nosy rahavavy, toa an’i La Réunion sy Mau­rice.

Hahazo vahana kosa ny talio ka hitondra rotsakorana betsaka amin’ny tapany avaratry ny Nosy (Diana, Sava), amin’io fiandohan’ny herinandro io. Heverina hatratra 80mm hatramin’ny 110mm ao anatin’ny 24 ora izany.

Manomboka rahampitso, mihatra ny filazana fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana any an-toerana. Vinavinaina ny mety hisian’ny fahasimbana amin’ireo fotodrafitrasa, fiakaran’ny rano amin’ireo toerana iva, fiakaran’ny renirano, fihotsahan’ny tany sy/na lalana… Mihatra ny filazana fampitandremana miloko maitso ho an’ny faritra Diana, Bealanana, Antsohihy ary Analalava.
Iangaviana ireo mpiandriaka sy mpampiasa ranomasina amin’iny morontsiraka atsinanana manontolo iny mba hanaraka akaiky ny vaovao mahakasika ny toetry ny andro.

Tatiana A

Partager sur: