Boeny, Sofia ary Diana : hahery vaika ny onjan-dranomasina

Nampitandrina amin’ny ala­lan’ny loko mavo ny mpamantatra ny toetry ny andro ho an’ny morontsiraka Boeny, Sofia ary Diana amin’ny fisi­an’ny rahom-baratra matanjaka. Any amin’ny manodidina ny 300 km avaratra andrefan’ny tanjona Vilanandro (Besa­lampy) no misy izany rahom-baratra izany.

Manakorontana ny toetry ny andro ny fisiany ary mahatonga ny oram-baratra mitsitokotoko saika manerana ny Nosy.
Tombanana hikisaka miatsinanana somary atsimo atsinanana izy io ka hipaka amin’ ny ilany avaratra andrefan’ny Nosy, anio. Hahazo vahana, araka izany, ny talio ao anatin’ ny 3 na 4 andro manaraka ka hiteraka alondrano mampidi-doza amin’ny morontsiraka avaratra andrefan’ny Nosy. Hahery ny ranomasina ka hahatratra 2 hatramin’ny 3 m ny haavon’ny onja. Heverina ny fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dranomasina na ny mety ho faharendrehana an-dranomasina. Mila manaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony ireo mpiandriaka rehetra mba tsy hidiran-doza.
Vao tamin’ny herinandro no nahazo fampitandremana miloko mena amin’ny rotsakorana ireo faritra ireo, noho ilay rivodoza Bilal nihaodihaody tany, dia izao miverina amin’ny loko mavo izao sahady ny morontsiraka ao aminy. Mila mitandrina fatratra ireo mponina manamorona ny morontsiraka rehetra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

Tatiana A

Partager sur: