Ny faran’ny herinandro teo, niara-nientana nanao fanadiovana faobe ny mpiasan’ny boriborintany voalohany sy fahatelo. Nodiovina ireo toerana manakaiky tsena, ny lalan’ny mpandeha an-tongotra…
Nampahatsiahivin’ireo delege eo anivon’ny boriborintany, nandritra ny hetsika, fa manana andraikitra amin’ny fahadiovan’ny tanàna avokoa ny rehetra, na ny mpampiasa lalana, na ny mpivarotra na ny mpiantsena, ny mponina iray manontolo.
Nanaovana fanentanana manokana ireo mpivarotra sakafo masaka mba hanao toy izany manoloana ny tsenany, ary mba tsy hanary ny fako sy ambin-tsakafo anaty lakandrano. Hifehy ny poti-kanina sy ny rano avy nampiasana, indrindra hanaja ny fahadiovan’ny entana hohanin’ny mpanjifa sy ny fitaovana rehetra mifandraika amin’izany.
Hanohy ny hetsika fanadiovana sy fanentanana ireo boriborintany hafa eto an-drenivohitra.
Entina hanaporofoana fa saro-piaro amin’ny fahadiovana sy ny hasin’ny tanàna ny mpiasan’ny boriborintany ary mandray anjara eny ifotony, mirotsaka an-tsehatra manadio mihitsy.
Tatiana A