Fiovana anarana – MFA : «Fametrahana lanja ny fiaraha-mientana», hoy ny Jly Sahivelo

Tafika maoderina, tafika manana ny maha izy azy, reharehan’ny vahoaka ao aminy sady afaka manampy ny vahoaka amin’ireo ambana rehetra mety hitranga, hoy ny MFA, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin

Tontosa teny Ampahibe, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, sy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Nanatrika izany ireo manamboninahitra ambony sy jeneraly avy ao amin’ny minisitera sy ny etamazaoro ary ny zandarimariam-pirenena. Hita teny an-toerana ihany koa ny solontenan’ireo firenena mpiray ombon’antoka sady mpiara-miasa amin’i Madagasikara eo amin’ny lafiny fampiofanana ara-tafika, toy ny Sinoa. «Ny fiovana anarana ho MFA dia fametrahana lanja ny fiaraha-mientana amin’ny sehatra sy fampivondronana ny hery eo anivon’ny Foloalindahy (Tafika sy zandary)», hoy ny fanazavan’ny MFA, ny Jly Sahivelo. Nambarany fa misy hatrany fiarahan’ny zandary sy ny Tafika manatanteraka hetsika iray mba hahafahana mikatsaka ny paikady manakaiky ny vahoaka eo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Nambarany fa misy ny paikady amin’ny fametrahana filaminana maharitra eto amin’ny firenena, amin’ny alalan’ny famoronana asa, araka ny toromarika nomen’ny filoha Rajoelina. «Ny Foloalindahy dia avy amin’ny vahoaka ary miasa ho an’ny vahoaka. Noho izany, ilaina ny fametrahana paikady ho an’ny fandriampahalemana manakaiky ny vahoaka mba hahafahana manana filaminam-piarahamonina mirindra», hoy hatrany izy. Eo koa ny famerenana ny paikady ho an’ny fanjakana tsara tantana lavitry ny kolikoly. Mangarahara tanteraka ny asa atao rehetra eo anivon’ny Foloalindahy. Hamafisina ny fanaraha-maso ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fifehezana ny lalàna sy ny fitsipika, raha ny nambarany hatrany.

Jean Claude

Partager sur: