Vita ny alatsinainy teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra vaovao, Razafiharison Andriamanantena, sy i Assoumacou Léa Béatrice, ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Fanambin’ny minisitra vaovao ny hanohizana ny asa amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fijerena ny vahaolana matotra mahakasika ny olan’ny mpianatra. Maromaro rahateo ny tolona nataon’ny mpianatra sy ny mpampianatra tamin’ny taon-dasa izay mitaky vahaolana maharitra.
Eo indrindra koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mba hifandraika amin’ny filàn’ny firenena ny vokatra azo. Ankoatra ireo, ny fametrahana ny fitantanana madio sy mangarahara amin’ny fampiharana ny teknolojia maoderina.
Miandry ity minisitra ity ihany koa ny fandaminana ny fiainan’ireo mpianatra mandranto fianarana any ivelany. Maro ireo tsy naharay ny vatsim-pianarana sy mitaraina amin’ny tokony hanamorana ny fampodiana azy ireo.
Tatiana A