Niombom-peo indray ireo Malagasy mpianatra any Rosia fa mijaly amin’ny tsy fahazoana vatsim-pianarana 2 taona nisesy izao. Lany vatsy ary tapitra Visa ny sasany. Mila vonjy amin’ny fanjakana.
Tsy mbola nisitraka ny vatsim-pianarana hatramin’ny taom-pianarana 2021-2022 sy 2022-2023 ireo mpianatra mandranto fianarana any Rosia. Zon’izy ireo feno ny misitraka ny vatsim-pianarana mitentina 250 dolara isan-taona. “Kanefa hatramin’izao, tsy nahazo izany izahay”, hoy ireo mpianatra. Raha ny henon’ireto farany, nesorina tao anatin’ny Lalàna mifehy ny tetibola mihitsy ny vatsim-pianarana tokony ho azon’ny mpianatra isan-taona ka mangataka fanazavana mahakasika izany izy ireo. Tena ilaina ny vatsim-pianarana amin’ny fanavaozana ny Visa sy ny fiantohana isan-karazany, hofantrano…
Miangavy ny fanjakana ireo mpianatra mba tsy hanao ankilabao ny hoavin’ny Malagasy mpianatra mandranto fianarana any ivelany.
Misy amin’ireo mpianatra efa nahavita fianarana tamin’ ny volana jona ary tokony efa hody an-tanindrazana satria efa lany ny Visa, tsy mipetraka amin’ny “foyer” intsony anefa izy ireo.
Tsy manana saran-dalana hodiana
Efa nitaraina tany amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ny ray aman-drenin’ireo mpianatra any Rosia saingy tsy nisy valiny hatramin’izao. Raha ny taratasy fifanarahana nosoniavin’ny fanjakana, iandraiketan’ny fanjakana feno ny tapakilan’ny fiaramanidina hahafahan’ny mpianatra mody rehefa nahavita fianarana izy ireo.
Efa nisy ny fitarainana natao tamin’ny taon-dasa ary nampanantena ny filoham-pirenena nandritra ny fihaonany tamin’ny mpianatra tao Maroc fa hanefa ny saran’ny fodian’ireo mpianatra nahavita fianarana any ivelany sy hanefa ireo vatsy saingy tsy mbola tanteraka izany.
Miantso ny fanjakana indray ireto mpianatra ireto, ankehitriny, satria sady lany vatsy tanteraka no sahirana any an-tanin’olona.
Tatiana A