Manameloka ny famoronana Compte fake amin’ny anarany sy misandoka azy ny minisitra Andriantsitohaina Naina, araka ny nambarany tao amin’ ny Facebook. «Ampahatsiahivina hatrany ny tsirairay fa voarara ary mahavoasazy ny mamorona kaonty sandoka amin’ny anaran’olon-kafa’», hoy izy. Mazava ny kaonty ofisialiny: https://www.facebook.com/ AndriantsitohainaNaina?mibextid=ZbWKwL
Nankatoavina tetsy Anosy, tamin’ny alalan’ny atrikasa fakan-kevitra, ny «Package» ho an’ireo olom-boafidy vaovao. Iarahana amin’ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL) izany. Hampiasain’ny olom-boafidy eny ifotony sy ahitana tahirin-kevitra torolalana hiasan’ny ben’ny Tanàna izany.
Naneho fahavononana hiatrika ny fampanoavana eo anivon’ny Pac ny ben’ny Tanànan’ Antsiranana, i Jean Luc Djavojozara. Hotanterahina anio, etsy 67 ha, izany. «Ho avy aho hiatrika ny fitsarana. Mahatsiaro tena ho madio ny tenanay», hoy izy tao amin’ny Facebook, omaly. Anisan’ny hiahiahina azy ny fanodinkodinam-bola ny taona 2017.
Mitohy ny fivorian’ny « Forum parlementaire – SADC» sy ny «Caucus parlementaire régional des femmes». Niatrika izany ny depiote Ramarosoa Emeline Rakotobe, sy ny manam-pahaizana ara-toekarena, Razafindrakoto Rado. Noresahina ny fahafahan’ny orinasa madinika misitraka famatsiam-bola ary tsy ho sakana amin’izany ny maha vehivavy ireo mpandraharaha.