Hentitra koa ny fanambaran’ny eo anivon’ny FFKM tamin’ny hafatra Pantekoty navoakan’izy ireo, omaly. Anisan’izany ny momba ny fifidianana depiote sy ny olana sosialy amin’izao fotoana izao.
Nambaran’ny hafatra fa tokony halavirina ny korontana sy ny tabataba amin’izao fifidianana izao. “Aoka ianareo kandidà mba tsy hananararaotra ny fahasahiram-bahoaka ka hividy safidin’izy ireo amin’ny zavatra hita maso sy hampanantena poakaty”, hoy izy ireo. Nentanin’ny FFKM ny rehetra handala ny fahamarinana hiady amin’ny kolikoly sy ny fanararaotana ary ny faharatsiana rehetra, indrindra ireo mpikirakira ny fifidianana.
Notsiahivin’ny fiangonana indray fa miaina ao anatin’ny fahasahiranana sy ady maro samihafa isika izao. Anisan’ izany ny fahasahiranana vokatry ny fahantrana sy ny sondro-bidim-piainana isan’andro. Ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin’ ny kolikoly. Na izany aza, nentanin’ny FFKM tsy ho kivy na hiraviravy tanana ny rehetra, indrindra amin’izao Pantekoty sy ny efa nahazoana ny Fanahy Masina izao fa hitraka ka hijoro ho vavolombelon’ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny ankohonana sy ny fiarahamonina ary ny firenena.
Fanajana ny aina sy ny fitiavan-tanindrazana
Ankoatra izany, notsindrin’ ny hafatra fa tsy nirotsaka hanara-maso ny fifidianana ny fiangonana efa-tonta saingy manohy hatrany kosa ny fitaizana sy ny fampianarana amin’ny alalan’ny Andrimaso FFKM mba hahatonga ny rehetra ho olom-pirenena vanona.
Nanentana ny kristianina sy ny vahoaka koa ireo filoham-piangonana amin’izao hanamarihina ny faha-64 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantena sy ny Foloalindahy izao mba hanandratra hatrany ny fanajana ny aina sy ny fitiavan-tanindrazana.
Synèse R.