Anisan’ny firenena mila vonjy i Madagasikara, noho ny vokatry ny loza voajanahary. Heverina ho 108 tapitrisa dolara ny fanampiana ilaina taorian’ny fanadalovan’ny rivodoza Gamane.
Nanao antso avo amin’ny maha olona ny SADC mba hamaliana ny fiantraikan’ny haintany vokatry ny trangana hafanana tafahoatra. Amin’izao dingana izao, tombanana ho 5 miliara dolara ny filana. 108 tapitrisa ho an’i Madagasikara.
Izay no anisan’ny voaresaka tamin’ny fivoriana manokana tsy ara-potoana, tamin’ny alalan’ny fihaonana ampitain-davitra, nataon’ny SADC, omaly. Nisolontena ny filohan’ ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, tamin’izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Filoham-panjakana sy lehiben’ ny governemanta sivy sy minisitra enina no nandray anjara tamin’ny fihaonana.
Valin’ny antson’ny firenen-tsamihafa mpikambana manoloana ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fihaonana. Anisan’izany i Madagasikara izay nanetsika ny antso ho amin’ny fanampiana iraisam-pirenena. Mifototra amin’ny fanambaram-pirenena momba ny loza voajanahary, tamin’ny 3 avrily lasa teo, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane. Fanampiana maha olona ho an’ny Malagasy 1,4 tapitrisa ao anatin’ny toe-javatra marefo izany. Koa antoky ny firaisankinam-paritra sady finiavana hiara-kiatrika izay fanamby iraisana izay ny fihaonana.
Olona efa ho 61,7 tapitrisa no tratran’ny trangana hafanana tafahoatra El Niño any amin’ ny faritra SADC, ka ao anatin’ ny tsy fanjarian-tsakafo. 57 tapitrisa any ho any ny olona miandry fanampiana vonjy maika, ahitana Malagasy 1,4 tapitrisa. Mbola hitohy ihany ny fanombanana eo amin’ny ambaratongan’ny Fanjakana mpikambana tsirairay ka haverina, araka izany, ny tombana vola amin’ny farany.
R. Nd.