Namory ny eo anivon’ny OMC Diana ny
praiminisitra, Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Nanteriny fa ilaina ny ipetrahan’ny filaminana sy fitoniana amin’izao hiatrehina ny fifidianana izao. Eo koa ny fepetra noraisina momba ny jono tsy ara-dalàna sy ny fiondranan’ny harem-pirenena antsokosoko.
Nampihaona amin’ny alalan’ny adihevitra ireo kandidà hofidina depiote ny eo anivon’ny YLTP/FES ny sabotsy teo tao Fianarantsoa. Naompana amin’ny lohahevitra : “Ny anjara andraikitry ny vahoaka sy ny solombavambahoaka” izany. Samy niatrika izany avokoa ireo kandidà miisa dimy ao Fianarantsoa I.
Nampahatsiahy ny eo anivon’ny Ceni fa afaka 10 andro ny fifidianana depiote. Nomarihina tamin’izany fa misokatra amin’ny 6 ora maraina ary mikatona amin’ny 5 ora hariva ny birao fandatsaham-bato. Eo ivelany kosa ireo tomponandraikitra eny anivon’ny fokontany, mizara ny karatry ny mpifidy ho an’ireo mbola tsy nahazo izany mialoha.
Nentanin’ny Ceni ireo rehetra mpikambana eo anivon’ny birao fandatsaham-bato na koa ny delegen’ny kandidà mba hanamafy sy hitandro hatrany ny fahamarinan’ny latsa-bato. Eo koa ny hanamafisana ny fanajana ireo didy aman-dalàna ary ny hampiharana ny mangarahara amin’izao fifidianana depiote izao.