Manaitra ary mitaky amin’ ny HCC sy ny eo anivon’ny Ceni mba handray ny andraikiny ny KMF/Cnoe. Mahatsikaritra tsy fanarahan-dalàna izy ireo amin’izao vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra izao. Nambaran’ny filoha lefitra eo anivon’ity fiarahamonim-pirenena manara-maso ny fifidianana ity, Rabekijana Felix, fa fandikan-dalàna tsotra izao ny fitokanana fotodrafitrasa ataon’ny filohan’ny Repoblika. “Voarara ary tsy azo ampiasaina ny anaran’ny filoha ireo fitaovana misy ny sarin’ny filoha : afisy, tee shirt, lamba sns”, hoy izy. Nohitsin’ny KMF/Cnoe fa tsy tokony misy ambonin’ny lalàna izany. Efa tsy filohan’ny antoko intsony ny filoham-pirenena. Filohan’ny malagasy rehetra izy, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny fa ahitana izany fihoaram-pefy sy tsy fanarahan-dalàna izany ireo toerana sasany amin’izao fotoana izao. “Tena miharihary mihitsy ny zava-misy ka itakiana ny tomponandraikitra tsy hitazam-potsiny, indrindra fa ny HCC sy ny eo anivon’ny Ceni”, hoy ihany izy.
Ankoatra izany, nambarany koa fa mahazo vahana ny teritery sy ny ramatahora ataon’ireo tomponandraikitra sasany amin’ireo mpiasam-panjakana mba hifidy ny kandidà-panjakana. Notakiny koa ny hampiharana ny lalàna ho an’ireo minia manao izany, araka ny nambarany. “Tena tsy fanarahan-dalàna izany ary anananay porofo ny fanerena ny mpiasam-panjakana etsy sy eroa”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tokony ho fifidianana madio sy mangarahara ary malalaka izao hotanterahina izao.
Synèse R.