“Tsy voasakan’ny fahafatesana ny fifidianana”, hoy fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, manoloana ny fahafatesan’ny kandidà depiote lah. 3, avy amin’ny vondrona Firaisankina, ao amin’ny distrikan’i Morondava, faritra Menabe, i Mamy Meryson Claver, teo amin’ny faha-52 taonany, afakomaly, raha mbola nanao fampielezan-kevitra izy ny tontolo andron’ny 19 mey lasa teo. Ankoatra ny aretina diabeta nitaiza azy, fantatra fa ny fiakaran’ny tosidra no nitarika ny fahafatesany. Ny voalazan’ny lalàna: miakatra ny laharana faharoa ao anatin’ny lisitra miara-dia amin’ny kandidà nodimandry. Ny lisitra farany amin’ny mpisolo toerana no fenoina kandidà vaovao miaraka amin’ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina izay halefa any amin’ny Ceni.
Mitohy ny fampielezan-kevitra sy ny fanatanterahana ny fifidianana. Tsy misy fanelingelenana izany, fa fenoina fotsiny amin’ny alalan’ny fampitana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho an’izay olona hameno ny lisitra misy ilay kandidà nodimandry.
“Tsy misy ny fanaovan-javatra mifanohitra amin’izay lalàna velona izay, fa arahina fotsiny ny fepetra takin’ny lalàna”, hoy izy. Tokony hotandrovina mandrakariva ny filaminana sy ny fitoniana manoloana ny fanelezana vaovao tsy marina sy ny fampisavorovoroana ny sain’ny olona amin’izay fahabangan’ny lisitra kandidà izay. Heverina fa tsy misy ny mety ho sakantsakana na fanelingelenana ao anatin’ny fizotran’ny fifidianana. Amin’ ny ankapobeny, tokony hotoavina mandrakariva ny lalàna.
R. Nd.