Notanterahina tetsy Anosy, omaly, ny atrikasa fampahafantarana sy nankatoavana ny Drafi-pirenena ho an’ny fananan-tany andiany faharoa (PNFII), iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Tahirim-pirenena ho an’ny fananan-tany (FNF), Razafindratsimba Vonjy, fa tanjona ny fanakaikezana kokoa sy ny fiarovana amin’ny fananan-tany hipaka eny amin’ny vahoaka. “Hezahina hosorohina mialoha ny olana eo amin’ny fananan-tany”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa nialohavan’ny fakan-kevitra teny anivon’ny faritra sy manerana ny Nosy izany ary koa ny “Focus groupe”. Nanteriny fa hojerana koa ny rafitra sy ny lalàna rehetra mba hifandraika amin’ny PNFII. Miainga amin’izany tahirin-kevitra izany no itondrana ny lafiny fananan-tany sy ny lafin-tany. Anisan’ ny misongadina amin’izany ny fametrahana ny lafiny ara-informatika ka hahazo tombony amin’izany ny sampandraharahan’ny fananan-tany, ny eo anivon’ny EDBM manoloana ny fampiasam-bola momba ny tany. Hanamora ny fampiasam-bola tokony hatao izany. “Efa manana valin-teny isika ho an’ny tany fambolena na koa ny momba ny ala na koa ny fanorenana indostria sy orinasa, afahan’izy ireo miasa”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny nandray anjara ny avy amin’ireo minisitera samihafa sy ny fiadidiana ny Repoblika, ny Bianco ary koa ireo mpamatsy vola.
Synèse R.