Hiompana amin’ireo fanondranana antsokosoko ny harena voanajanahary, ny fiarovana izany ary koa ny momba ny hetsika fiarovana ny tontolo iainana ny resaka hifanaovana amin’ny minisitra, i Andonirina Max Fontaine. Harahina, anio amin’ny radio Alliance 92 FM amin’ny 12 ora 15 mn (fiteny malagasy) sy amin’ny 1 ora (fiteny frantsay) izany.
“Atsaharo ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitondra. Takinay koa ny handraisan’ny Ceni sy ny HCC ny andraikiny ka hampiasany ireo fahefana eo am-pelatanany hampiharana ny sazy voalazan’ny lalàna amin’ireo nandika lalàna”, hoy ny eo anivon’ny Vovonana Firaisankina, omaly tetsy Faravohitra.
Mbola tazonina sy hadihadian’ny polisy misahana ny heloka ana habaka eny Anosy, ny mpanorina ny Vitantsika, Raharimanana Patrick sady mpisitona lakolosy ao amin’ny Facebook, hatramin’ny omaly. Voalaza ho anton’izany ny namoahany ny lisitr’ireo toerana hotsidihin’ny filohan’ny Repoblika. Misy olona roa hafa koa tazonina miaraka aminy.
Ho tonga eto hanara-maso ny fifidianana depiote ireo iraka avy amin’ny Sadc eo anivon’ny SEOM. Hiparitaka amin’ny faritra maro manerana ny Nosy izy ireo mialoha sy ny andron’ny fifidianana ny 29 mey izao. Hanomboka anio ny fampahafantaran’izy ireo izany hetsika fanaraha-maso ny fifidianana ataon’izy ireo izany ary hamoaka ny vokatry ny fanaraha-maso kosa ny 31 mey izao.