Filoha Rajoelina Andry: mitohy hatrany ny famaliana ny filan’ny vahoaka

Ao anatin’ny fanolorana ireo fotodrafitrasa hanatsarana ny sosialim-bahoaka ny fitondram-panjakana amin’izao. Anisan’izany ny « Hotel de Police » ho an’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, entina manatsara ny fandriam-pahalemana eny ifotony.

Tontosa omaly, tany Main­tirano sy Besalam­py ary Morafenobe, ny fiidinana ifotony nataon’ny filohan’ny repoblika, Rajoelina Andry. Niara-dalana taminy nanatontosa izany ireo tomponandraikim-panjakana sy olom-boafidy ary olo-manan-kaja avy amin’ireo toerana ireo. Fotoana izay nitokanana sy nanolorana ireo fotodrafitrasa sy zava-bita ho an’ny vahoaka no nataon’ny filoha. Tanjona amin’izao ny hamatarana ny mararin’ny vahoaka. Eo ihany koa ny famaliana ny filan’izy ireo. Raha tsiahivina, ao anatin’ny fitetezana faritra maro samihafa ny filoham-pirenena amin’izao ho fanatanterahina izany.

Ny vahoakan’ny Mainti­rano sy Besalampy ary Mora­fenobe indray no nandray ny filoham-pirenena omaly. Fo­todrafitrasam-pampandrosoana sy mamaha ny olan’ny vahoaka eny ifotony ary hanatsara ny fiainan’izy ireo no natolotra ny vahoaka, tamin’ireo tanàna ireo, nandritra izany. Anisan’izany, ny ho an’ny tao Maintirano, ny fitokanana ny « Hotel de Police », ny fitsidihana ny Ozinina Sahanala. Fanolorana La­pan’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ho an’ny tao Be­salampy, ary ny fihaonana sy fitafana tamin’ny vahoakan’ny Morafenobe no namaran’ny filoham-pirenena ny diany, omaly. Ankoatra izay, tsy hadinon’ny filoham-pirenena ny nanatanteraka ny fampanantenana izay nataony, ny amin’ny fizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny isan-tokatrano, tamin’ireo tanàna nolalovany ireo.
Raha tsiahivina, efa maro ireo faritra sy distrika notsidihin’ny filoham-pirenena, tao anatin’ny herinandro vitsy izay. Tsy hijanona hatreo ane­fa izany fa hitohy any amin’iny faritra Avaratra Andrefan’ny Nosy iny, ny alakamisy sy zoma izao.

Lin

Partager sur: