“Tsy misy miova raha ny biletà tokana sy ny zotram-pifidianana, ankoatra ny hoe ny anaran’ny kandidà no miova. Efa vita fanontana ny biletà tokana. Noho izany, tsy misy fiovana”. Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, teny Antaninarenina, afakomaly, momba ny fisiana kandidà maty amin’izao fifidianana depiote izao. Izay biletà efa voatonta no hampiasaina, fa ampahafantarina ny mpifidy ny kandidà hofidina. Araka ny And. 26 ao amin’ny lalàna fehizoro 2018-010 momba ny fifidianana depiote: raha misy fahafatesana kandidà, miakatra avy hatrany ny mpandimby azy. Manendry mpisolo toerana indray ny vondrona nirotsahany. Tsy mitovy amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny fifidianana depiote. Amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, raha sanatria misy maty ny kandidà: tsy maintsy ahemotra ny fifidianana. Amin’ny fifidianana depiote kosa, mandeha ihany ny zotram-pifidianana rehetra fa ny kandidà mpisolo toerana no miakatra ho kandidà ary manendry izay ho mpisolo toerana ny vondrona nandrotsaka azy.
R. Nd.