Fifidianana depiote: tonga hatramin’ny fandrahonana ny propagandy

Manahy antsojay politika  amin’izao  fampielezan-kevitra izao ireo haino aman-jery sasany. Anisan’izany ny taratasy navoakan’ny lehiben’ny disitrikan’Antanifotsy nomena ny mpitantana ny sampana radio A/Z Radio any an-toerana. Voalaza anefa fa sampana tsy mamokatra fandaharana izany onjam-peo izany. Mampita ny feo avy any Antsi­rabe fotsiny izy ireo nefa izao nahazo fandrahonana fanakatonana izao, araka ny fampitam-baovaon’ireo tomponandrakitra mpitantana. Nohama­fi­sin’izy ireo koa fa isehoana antsojay ny ao an-toerana. Mahazo fandrahonana hatramin’ireo mpampianatra sy ny mpiasan’ny fahasalamana, ma­naraka ny kandidàn’ny mpanohitra. Tahaka izany koa ireo tsy miara-dia amin’ny kandidàn’ny fitondrana. Maro ireo nahazo famindran-toerana ny mpiasam-panjakana, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Tahaka izany koa ny nandefasan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) taratasy fanakatonana ny radio Fi­voarana etsy Imerintsiatosika. Kandidà amin’izao fifidianana izao ny mpitantana izany.
Etsy andaniny, tsy fantatra na misy ifandraisany amin’ny fifidianana sy ny propagandy na tsia ny fanafihan-jiolahy nihatra tamin’ireo mpivady mpanohana kandidà iray any Ankazomiriotra ka nahafaty azy ireo. Tranga niseho ny alahady hifoha ny alatsinainy teo tany an-toerana izany.

Sajo sy Synèse R.

Partager sur: