Anisan’ireo voaasa hanatrika ny fianianan’ny filoha Kaomorianina, Azali Assoumani ny filoha Rajoelina. Hotanterahina any Màoroni ny 26 mey izao izany. Ny 4 jona kosa, handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Korea sy Afrika ny filohan’ny Repoblika. Lohahevitra : “Ny ho avy izay iarahantsika atsangana : ny fampandrosoana iombonana…”
Nahazo fiara miisa enina ny eo anivon’ny Ceni amin’ny alalan’ny “Fonds de contre-valeur”, iarahana amin’i Japon. Tafiditra amin’ny tetikasa momba ny fanafamafisana traikefa sy fahaiza-manao niarahan’ny Ceni sy ry zareo japoney izany. Hatolotra ireo renivohi-paritany enina ireo fiara ireo, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha.
Hifarana anio ny fiofanana momba ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana ireo biby sy zavamaniry dia. Mikarakara izany ny eo anivon’ny ENMG ary mandray anjara kosa ireo mpitsara avy amin’ny faritra maromaro. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitsara momba ny fanenjehana, ny famotorana ary ny fitsarana ny raharaha tahaka izany.
Nampahafantarina omaly ny fijoroan’ny fikambanan’ireo orinasa fanaovan-gazety ana habaka, « Association Professionnelle des Presses en Ligne – APPEL» no anaran’ny fikambanana. Nambaran’izy ireo fa natao izao mba hanavahana ny asa fanaovan-gazety ana habaka sy ny fanapariahana vaovao an-tambazotra.