Loholona Tahina Andrianandrasana : « Manao ny asany ara-dalana ny filoha Rajoelina Andry »

Tsy misy fandikan-dalàna ny fitetezam-paritra ataon’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoeli­na Andry. “Tsy mitokana fa manolotra fotodrafitrasa izy”, hoy Tahina Andrianan­drasa­na, loholon’i Madagasi­kara.
Nisy ny tafa ho an’ny mpanao gazety, nataon’ny loholon’ i Madagasikara, Andria­nan­drasana Tahina, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Anteni­mierandoholona Anosy. Tao anatin’izany no nitondrany fa­nazavana mahakasika ny re­sabe momba ny hoe tsy fanarahan-dalàna ataon’ny filoha ao anatin’izao fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka izao. “Tsy misy ny fandikan-dalàna, izay voalaza fa ataon’ny filoham-pirenena, ao anatin’izao zotram-pifidianana solombavambahoaka izao. Ny asany sy andraikiny amin’ny maha filoham-pirenena azy no ataony”, hoy i Tahina Andria­nandra­sana, loholon’i Mada­ga­sikara, avy amin’ny faritanin’i Fiana­rantsoa.

Tsy mitokana
“Aoka izay ny fandikana diso. Tsiahivina fa tsy azon’ny filohan’ny repoblika atao ny mi­tokana fotodrafitrasa mandritra izao zotram-pifidianana izao, indrindra ao anatin’ny fampielezan-kevitra, araka ny lalàna misy sy manankery eto amin’ny tany repoblikan’i Ma­dagasikara. Tsy azony atao ihany koa ny manentana olona hifidy olona iray, izay mi­latsaka ho fidiana. Amin’ izao anefa, tsy araka ny resaka voizina ankehitriny no misy. Manolotra ireo fotodrafitrasa natao ho an’ny vahoaka no ataon’ny filoha fa tsy mitokana”, hoy hatrany izy.

Hatramin’ny mpanohitra
Nasian’ity loholon’i Mada­gasikara ity resaka ihany koa ny mahakasika ny hoe fiarahana amin’ny kandida milatsaka hofidina, mandritra ny fidinana ifotony ataony. Notsin­dri­ny tsara fa tsy misy fanavahana na fifantenana ny amin’ny fijoroana eny an-dapihazo mandritra ireo fitsidihina ireny, ary misy ary ireo olom-boafidy avy amin’ny antoko mpanohitra mijoro eny.
Ny miteny hoe “Fidio ity olona ity” no tsy azon’ny filoha atao, araka ny nambaran’i Tahina Andrianandrasana.

Lin

Partager sur: