Rajoelina Andry : « Fotodrafitrasa manakaiky sy ho an’ny vahoaka »

Nitohy tao Antsiranana ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly. Fitsidihana izay nanolorana ireo fotodrafitrasa naorina ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka.

Nanontrona azy tamin’izany ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, Rasata Rafaravavitafita, sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro, Monjavelo Vale­ry, ary ny minisitry ny Filami­nam-bahoaka, CGP Rakotoari­manana Heri­lala. Niaraka ta­min’ny olom-panjakana sy olona manan-kaja avy ao an-toerana izy ireo.
Nanamarika ny fitsidihana ny fanolorana ny tranon’ny mpianatra, ny biraon’ny minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga, fanolorana jiro man­deha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny vahoaka ary fanolorana ny biraon’ny fi­ta­leavam-paritry ny filaminam-bahoaka. Tanjona amin’izao ny famaliana ny filan’ny va­hoaka sy ny fa­natanterahana ny vinan’ny fi­tondram-panjakana ary ny fa­nambin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry.

Hazavana !
Ankoatra ireo, nisy ny fizarana jiro ho an’ny mponina. Ni­si­traka izany ny vahoaka ma­nodidina ny 6000 avy amin’ ny fokontany 25 ao Antsirana­na. Tafiditra amin’ny tetikasa, “Ha­za­vana ho anao” ny hetsika. Nizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny isan-tokatrano.
Nisy ny fametrahana ny vato fototra hanombohana ny asa fanamboaran-dalana ma­kany joffre ville. Toraka izany ny fametrahana jiro manazava eny amin’ny seranam-piaramanidina.
Tanjona amin’ny fananganana sy ny fanolorana izao fo­todrafitrasa maro samihafa izao ny fanakaikaizana ny vahoaka, ho fanamorana ny andavanandrom-piainan’izy ireo

Lin

Partager sur: