Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonam-pianianana sy fandraisam-pahefan’ny filoham-pirenen’ny Nosy Kaomoro, i Azali Assoumani, tao amin’ny kianjan’i Malouzini, ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny 26 mey lasa teo. Fe-potoam-piasana fahatelo izay nandraisany fahefana izay. Anisan’ny nanatrika ny fianianan’ny filoha Rajoelina teto Antananarivo izy, tamin’ny 16 desambra 2023.
Mandray anjara amin’ny fanaraha-maso fifidianana depiote hatao eto Madagasikara, rahampitso, ny avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana (Pnud) ho amin’ny demokratika sy mangarahara. Ankoatra izany, ny solontena ara-diplaomatika telo lehibe, an’i Royaume-Uni sy i Etazonia ary ny Vondrona eoropeana, dia hanohana izay fomba fiasa lehibe ho amin’ny demokrasia eto Madagasikara izay.
Tsy voaova ny taratasy saro-pady amin’ny fanatanterahana fifidianana ao Morondava, mbola ny sarin’ilay kandidà nodimandry no ao amin’ny biletà tokana… Hifidy olona efa nodimandry izany i Morondava. Azo atao ve ny mifidy olona efa nodimandry ary hanaiky ny vokatra amin’izany ve ny HCC? Noho izany, manaitra ny Ceni mba hanontany mialoha ny hevitry ny HCC ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena.
”Zava-dehibe, ary tokony ho laharam-pahamehana ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana sy vahoaka eny ifotony, indrindra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana”, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Max Andonirina Fontaine. Nisy ny fihaonana teo amin’ity minisitra ity sy ny solontenan’ny fikambanana Velondriake, mahakasika ny fiantohana maharitra ny harena voajanahary.