Retogniane Durlin : “Manimba ny fifidianana ny tsindry amin’ny mpiasam-panjakana”

“Raha ny momba ny tsindry atao amin’ireo lehibem-pokontany: tsy vao izao no mitranga izany, rehefa ao anatin’ny fifidianana toy izao. Efa fanaon’ireo mpanao politika eo amin’ny fitondrana izay. Tsy ireo lehibem-pokontany ihany no iharan’izany, fa na ireo lehiben’ny boriborintany na lehiben’ny distrika na ireo prefen’ny polisy… Mandeha hatrany amin’ny mpiasam-panjakana ambony aza izany”. Izay ny fijerin’ny mpamakafaka politika sady sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, ny amin’ny hoe fisian’ny tsindry atao amin’ny mpiasam-panjakana amin’izao fifidianana depiote izao. Iharan’ny tsindry na ny lehibem-pokontany na ny lehiben’ny distrika na ny eny anivon’ny minisitera, araka ny fanazavany.
Tsy mifanaraka amin’ny voalazan’ny lalàna ny fanaovana an’izany. Satria lasa misy fitanilana eo amin’ny samy kandidà depiote. Lasa manome endrika ratsy sy manimba ny fifidianana izany. Ny mahagaga amin’ireo kandidà sy ny mpanao politika dia ny fitazanan’ireo rafi-pitsarana sy ireo rafitra mikarakara fifidianana. Satria tokony hisy hetsika avy hatrany avy amin’ireo rafitra sy fitsarana misahana ny fifidianana, raha misy tsindry mahazo an’ireo lehibem-pokontany sy olom-panjakana. Nefa tsy hita taratra izany. Efa niainana izany tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, nefa mbola miverina amin’izao fifidianana depiote izao. Mbola ho lasa fomba fanao any amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna hatrehina amin’ity taona ity izany, raha tsy voasorok’ireo tomponandraikitra.

R. Nd.

Partager sur: