Ceni : “Tsy ekena ny hosoka”

“Tsy mitazam-potsiny ny Ceni fa aza matahotra. Tsy maintsy atao ny fanadihadiana fa sarotra ny tonga dia hanenjika olona. Tsy mitazam-potsiny izahay, ary tsy manaiky ny hosoka atao amin’ny fifidianana. Mahazo matoky ianareo”. Io ny hafatry ny filohan’ny Ceni, Andria­narisedo Dama Arsène, teny Alarobia, afakomaly, manoloana ny hoe ny fisian’ny fikasan’ny sasany hanao hosoka na hala-bato amin’ny fifidianana. Raha misy ny manao hosoka, tsy maintsy misy ny fanarahana izany fa tsy mitazam-potsiny ny Ceni. Misy famantarana manokana ny lisi-pifidianana alefan’ny Ceni eny amin’ny birao fandatsaham-bato. Ny Ceni ihany no mahalala an’izay famantarana manokana izay. Mihahaka eo fotsiny, raha misy ny manao hosoka amin’ny lisi-pifidianana. Amin’ny maha mpanabe ny Ceni, mampahafantatra ny ny didy aman-dalàna momba ny fifidianana. Na momba ny fampielezan-kevitra izany, na momba ny fandatsaham-bato. Mampitandrina izay manana fikasan-dratsy ny Ceni, fa tsy hitazam-potsiny raha misy trangana teritery sy sakantsakana mandritra ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: