Nipetraka hatrany ny lojika, ireo voasokajy ho kandida henjana no mitazona ny laharana voalohany amin’ny latsa-bato natao, omaly. Mbola matanjaka ny mpanohana fitondrana sy ny avy amin’ny vovonan’ny mpanohitra.
Manoloana ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Ireo kandidà nilatsaka hofidina avy amin’ny antoko na vovonana voasokajy ho lehibe hatrany no nahazo vato betsaka, araka ny fironana isaky ny birao fandatsaham-bato. Anisan’izany ireo avy amin’ny vononana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina sy ny avy amin’ny vovonana Firaisankina. Manaraka azy ireo amin’izay fahazoana vato maro izay kosa ireo kandidà fanta-bahoaka.
Raha ny mahakasika ny fizotran’ny fifidianana kosa, anisan’ny nanaitra ny maro ny fiovan’ny endriky ny fitaovana nampiasaina nandritra ny fifidianana. Anisan’izany ny biletà tokana sy ny trano fisainana (isoloire). Nihena antsasany amin’ny nahazatra hatramin’izay ny haben’ny biletà tokana. Raha ho an’ny trano fisainana kosa, fitaovana fanakonana ny taratasy soratana no nasolo izany. Izany no natao dia mba ahitana ny endrik’ilay olona saingy tsy hita izay soratany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra sy ny toromarika nomena azy ireo.
Nalaina ny mpifidy
Nanodidina ny 30 hatramin’ny 50% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy amin’ny ankapobeny, raha ny hita nandritra iny fifidianana solombavambahoaka iny. Raha ny nandritra ny andron’ny fifidianana, tsapa ho nangingina ny teny anivon’ny birao fandatsaham-bato ny tapany maraina. Nanodidina ny 15 % avokoa ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy, raha salanisa nomen’ny tomponandraikitry ny birao fandatsaham-bato. Ny tapany hariva kosa vao tonga maro nanatanteraka ny adidiny, amin’ny maha olom-pirenena azy ireo mpifidy, ka nahatonga ny salanisa ho tafakatra 40 hatramin’ny 50 %.
Lin