Tamin’ny ankapobeny, nizotra sy nilamina saika nanerana an’i Madagasikara ny fanatanterahana fifidianana solombavambahoaka omaly. Na izany aza, nisy ihany ny tsy fahatomombanana tamina birao fandatsaham-bato sasany.
Santionany ihany… Anisan’izany, ohatra, ny teny Andranoro Ambohibao, kaominina Antehiroka, nisy ny bokim-pifidianana izay nosoniavin’ny olona tonga nifidy maraina. Nefa rehefa tamin’ny 10 ora 20 mn, nosoloina boky vaovao izany. Nanaovana fitantanana an-tsoratra (PV) ireo nandatsa-bato tamin’ny bokim-pifidianana voalohany. Nihenjan-droa koa ny tady teo amin’ny boriboritany fahefatra ho an’ny teny Anosizato sy Anosibe. Lehilahy iray nosamborin’ny fokonolona rehefa nahatrarana kara-pifidianana maromaro teny aminy teo Anosibe. Natolotra ny mpitandro filaminana noho ny ahiahy ho fisiana hala-bato.
Tany Antsalova, faritra Melaky, indray, nisy ny fangatahana famindrana biraom-pifidianana tamin’ny Ceni foibe tao amin’ny EPP Anjiabe ho ao Ankilizato. Saingy tamin’ny androm-pifidianana, omaly, nisy namindra tsy nisy fahazoan-dalana tao amoron’ny renirano Sahoany izany. Teny amin’ny lycée Ambohibao, Antehiroka, nisy mpifidy nitondra kara-pifidianana, nefa tsy ao anatin’ny lisi-pifidianana: tsy afa-nifidy. Nisy koa no efa nifidy tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo, nefa tsy tao anatin’ny lisi-pifidianana intsony. Nahazo nifidy kosa ireo tsy manana kara-pifidianana nefa ao anatin’ny lisi-pifidianana.
Ankoatra ireo, nisy koa, ohatra, ny antontan-taratasy fanisam-bato izay any Betroka, faritra Anosy, no tonga eny Mandrangobato, Antananarivo IV. Teny amin’ny biraom-pifidianana iray fokontany Ankadifotsy II, Antananarivo III, kosa: saika tsy nety nivoaka ny biraom-pifidianana ireo delegena kandidà miisa 12. Nefa tokony handeha tsiroaroa mifandimby izy ireo. Vokany, nihemotra ny fanombohana ny latsa-bato.
Manoloana an’ireny karazana tsy fahatomombanana rehetra ireny, nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa hisy ny fanadihadiana hatao.
R. Nd.