Praiminisitra Ntsay Christian : “Avelao hanao ny asany ny Ceni sy ny HCC”

“Ny fisian’ny fitarainana tsy midika hoe tsy manara-dalàna ny zava-misy. Avelao hanao ny asany ny Ceni sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Zon’ny mpifaninana amin’ny fifidianana sy ny olom-pirenena ny manao fitarainana araka ny tokony ho izy”, hoy ny Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta, i Ntsay Chris­tian, taorian’ny fandatsaham-batony teny amin’ny EPP Char­lotte Ratsirahonana, An­korondrano Andranomahery, omaly.
Avelao hanao ny asany ny ny rafitra hapetraka ho amin’izany fitarainana izany: ny Ceni sy ny HCC. Amin’izay, hita hoe mitombina sa tsia ny fitarainana.
Andro lehibe ho an’i Ma­dagasikara sy ho an’ny Mala­gasy ny androany. Satria fotoana ahazoana manao ny fifidianana solombavambahoaka, ary malalaka ny safidy eto Madagasikara. “Midika izany fa manaraka ny fenitra isika amin’ny maha firenena demokratika antsika”, hoy izy. Mifidy ny olom-boafidy amin’ny alalan’ny fifidianana ny firenena demokratika. Mahatsapa ny rehetra fa malalaka ny fifidianana eto Madagasikara. Ny tomponandraikitra rehetra amin’ny fanomanana rehetra fa tsy mora ny manomana zavatra. Manantena izy fa milamina hatrany ny eto Ma­dagasikara. Raha tsy manana fahaleovantena ireo mpikarakara, tsy nirotsa-kofidina ireo kandidà rehetra ireo. Matoa mirotsa-kofidina avoko izy rehetra manerana an’i Mada­ga­sikara ary ao anatin’izany ny vovonana maro, mahatsapa ny rehetra fa manana fahaleovantena ihany ry zareo mpikarakara fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: