Fifidianana solombavambahoaka : maro no tsy ho lany, tsy tia mpamadika palitao ny mpifidy

Kandidà maromaro, nanana andraikitra teto amin’ny firenena no ratsy toerana amin’izao fifidianana depiote izao. Naloan’ny vahoaka izy ireo noho ny fivadihana palitao matetika.

Misy sahady ireo kandidà ahina tsy ho lany avy hatrany raha manjohy ny fivoahan’ny voka-pifidianana vonjimaika, amin’izao fotoana izao. Anisan’izany, ny kandidà Hajo Andrianainari­velo ao Avaradrano. Brunelle Razafitsiandraofa, depiote teo aloha any Ikongo. Jaosera Irenée izay nilatsaka hofidina any Analalava. Anisan’ny mitotongana ihany koa ny vato sy ny fitiavan’ny mponina an’i Johasy Eleonore ao Vangain­drano. Tsy mahagaga ny mahakasika an’Idealison ao Ampanihy, Volahaingo Marie Thérèse any Bealanana, ary Jean Jacques Rabenirina ao Betioky. Ny fivadibadihana palitao sy ny fitsipahan-doha laka-nitana no tena mahatonga azy ireo ho nilaozan’ny mpanohana tany ifotony. Mpanohana fitondrana, nivadi-belirano, ka nisafidy vovonana hafa izy ireo.

Tsy miankina…
Raha ny fironana ankapoben’ny latsa-bato dia niverina mahazo aina ny mpanohitra, fa matanjaka ny mahaleotena. Miverina ny fifandanjan-kery, porofon’ny naha demokratika ny fifidianana izay nizotra tamim-pilaminana. Nanombo­ka omaly, hatramin’ny 3 jona 2024, ny fikirakirana ny voka-pifidianana, ataon’ny sampana mpanisa vato eny amin’ny distrika. Misongadina hatrany ireo vovonana voasokajy ho matanjaka. Ny avy amin’ny vovonana miaraka amin’ny fitondram-panjakana sy ny vononana Firaisankina ary ireo kandidà tsy miankina fanta-bahoaka no mitarika, ho an’ny eto amin’ny faritanin’An­tananarivo manokana.
Misongadina kosa ireo kandidà tsy miankina ho an’ny any amin’ny faritany hafa ivelan’ Antananarivo. Mifandim­by manaraka ao aoriana kosa ny avy amin’ny vovonana miaraka amin’ny fitondram-panjakana sy ny vovonana Firai­sankina.

Lin

Partager sur: