Dimy andro no tsy maintsy hamitan’ny sampana mpanisa vato (SRMV) ny asany, ary manana folo andro aorian’izay, hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ny Ceni. Araka izany, tombanana amin’ny 8 jona ny voka-pifidianana vonjimaika. Alohan’ny 26 jona, amin’ny 24 jona, kosa no mety hanambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny voka-pifidianana ofisialy na ny lisitry ny depiote voafidy.
Mampirisika hatrany ireo kandidà rehetra tamin’ny fifidianana depiote teo, na ireo miaraka amin’ny fitondrana na tsia, ny eo anivon’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena mba hanao fitoriana amin’ireo tsy fanarahan-dalàna hitany nandritra ny zotram-pifidianana teo. Tsy tokony hiandry hatrany ny firaisamonina sivily na ny mpanara-maso fifidianana amin’izay fanaovana fitoriana izay izy ireo fa manan-jo amin’izany.
Nanao fanambarana ny avy eo anivon’ny vovonana Firaisankina. Tao anatin’izany no nanambaran’izy ireo ny fisian’ny tsy fahalavorariana misy ao anatin’izao zotram-pifidianana izao. Nanamafy hatrany anefa izy ireo fa hiaro hatramin’ny farany ny safidim-bahoaka ary tsy hanaiky lembenana manoloana izany tsy rariny izany.
Mitombo hatrany ireo voka-pifidianana voakirakiran’ny avy eo anivon’ny SRMV. Miova tsikelikely, miaraka amin’izany ihany koa ny fironana. Maro ny disadisa isan-karazany, eny anivon’ny distrika samihafa vokatr’izany. Mbola manjaka hatrany anefa ny avy amin’ny vovonana miara-dia amin’ny fitondrana(IRMAR) sy ny avy mpanohitra (Firaisankina).