FANAOVANA POLITIKA: “Diso fanantenana ny vahoaka”, hoy ny RDS

“Be loatra ny fahadisoam-panantenana ateraky ny mpanao politika eo amin’ny fiarahamonina. Mampihena ny risipon’ny Malagasy handray anjara amin’ny fiainam-pirenena izay, indrindra amin’ny raharaha politika”. Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison, tamin’ny faran’ny herinandro teo, momba ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka. Mampalahelo ny ta­ham-pandraisana anjara am­bany dia ambany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka teo. Ambonin’izany, eo ireo toetra tsy mendrika manambana fanodinkodinana safidy sy fangalaram-bato.
“Ekena fa zon’ny mpitondra ny miezaka hahazo maro anisa eny anivon’ny Antenimi­eram­pirenena. Fa rehefa atao ao anatin’ny tsy fanajana lalàna izany dia vao mainka hanamaivana ny hasin’ny fanaovana politika”, hoy izy. Ny politika izay tokony hatao fitaovana hampandroso ny firenena fa tsy ho amin’ny tombontsoa manokana. Iriny ny hisian’ny fifandanjan-kery eny amin’ny rafitra mpanao lalàna sy mpanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka, ka hilaminan’ny firenena. Mankasitraka an’ireo Malagasy sahy naneho ny heviny sy ny safidiny ary mampirisika an’ireo nisalasala mba ho vonona handray ny andraikiny eo amin’ny fiainam-pirenena amin’ny fifidianana manaraka ny tenany.

R. Nd.

Partager sur: