Matihanina amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ireo iraka manokan’ny SADC, araka ny nambaran’ny loholona Rabetsaroana Sylvain, teny Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo. Tsy niteny afa-tsy ny zavatra hitany sy reny izy ireo. Nilamina sy nizotra ara-dalàna ny fifidianana teto Madagasikara. Nanao ny asany ny Ceni, nangatahan-dry zareo ny hanampiana ny Ceni amin’ny lafiny rehetra mba ho tanteraka araka ny tokony ho izy izany.
Nametraka fitoriana eny amin’ny HCC ny kandidà natolotry ny Irmar lah.3 ao amin’ny boriborintany V, Antananarivo Renivohitra, Raholdina Naivo. Izany dia noho ny fanakorontanana sy fandrahonana ary fanodinkodinam-bato nataon’ny olona avy amin’ny kandidà mpifaninana taminy. Nanakorontana ireo olona ireo iray andro alohan’ny fifidianana mba tsy hahatanteraka ny fandatsaham-bato.
Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa mampisavorovoro saim-bahoaka ny voka-pifidianana tsy voamarin’ny Ceni, izay avoakan’ny ivontoeran’ny kandidà sasany amin’ny tambajotran-tserasera. Misy amin’irao kandidà koa ny manery ankolaka ny Ceni hamoaka faran’izay haingana ny voka-pifidianana vonjy maika. Nefa miankina amin’ny fahatongavan’ny vokatra eny amin’ny SRMV izany.