Distrikan’i Sambava: miofana ireo tomponandraikitry ny kaominina

Tanterahina nanomboka omaly, hatramin’ny 7 jona 2024, ao Sambava, ny fiofanana mahakasika ny tetibolam-pandaharanasa, karakarain’ny minisiteran’ny Fitsinja­ram-pahefana sy ny Fana­jariana ny tany, amin’ny ala­lan’ny « Institut National de la Dé­centralisation et du Déve­loppement Local » (INDDL), tohanan’ny programa Rindra sy ny USAID ary ny Pnud. Tomponandraikitry ny kaominina enina, ao anatin’ny distrikan’i Sambava, faritra Sava, no nisitraka izao fiofanana izao. Tanjona ny hananan’izy ireo traikefa amin’ny fananganana tetibolam-pandaharanasa sy fahaiza-manao ary fahaiza-mitantana mba hoentina hampandrosoana ny kaominina sy ny faritra misy azy avy.
Mitohy hatrany, araka iza­ny, ny fampiofanana ataon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany. Izany no atao dia mba hahafehezan’ireo tomponandraikitra eny ifotony, ny tena anjara andraikitr’izy ireo. Vina ao anatin’izao ny hahatanterahan’ny fitsinjaram-pahefana soa aman-tsara sy hampaleo tena ny kaominina sy ny faritra tsirairay. Eo ihany koa ny fanjakana tsara tantana, izay ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ankehitriny.

Kaominina maro, avy amin’ny faritra maro samihafa, manerana ny Nosy no efa nisitraka ity fiofanana ity. Mbola hitohy izany ary ny kaominina dimy, ao amin’ny distrikan’i Vohémar no hisitraka izany, manomboka ny 17 jona 2024.

Lin

Partager sur: