Manentana ny rehetra mba hiandry amim-pitoniana ny valim-pifidianana ny kandidà Irmar, Toamasina I, Naharimamy Lucien Irmah. Matoky ny rafi-pifidianana misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ireo kandidà rehetra matoa mirotsa-kofidina. Mba tsy ho avy amin-dry zareo nosafidin’ny vahoaka no hiavian’ny fanafintohinana, ka hanakorontana saim-bahoaka na ny fiainam-bahoaka.
Marobe ny zavatra nifamahofaho tao Betroka tamin’ny fifidianana, araka ny nambaran’ny kandidà natolotra GJMP ao Betroka, faritra Anosy, ny depiote am-perinasa Randrianasolo Jean-Nicolas, izay mitarika vonjimaika amin’ny voka-pifidianana. Tsy natao hahakivy izany fa fomban’ny politika. Miandry ny fahendren’ny Ceni sy ny HCC izy, tsy gaga raha mitarika amin’ny voka-pifidianana vonjimaika.
Nambaran’ny kandidà depiote avy amin’ny Kôlektifa an’ny Malagasy, Toamasina I, Ratsiraka Roland, tany Toamasina, afakomaly, fa tsy hanaiky izay mety ho hosoka na fanovana ny voka-pifidianana izy. Misy ny fijoroana ho vavolombelon’ny lehibena fokontany mahafantatra ny fisian’ny hosoka tamin’ny fitantanana an-tsoratra. Teo koa ny fizarana vola tamin’ny andron’ny fifidianana.
Mbola ambany ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny tanora sy ny vehivavy, amin’ny firotsahana hofidina, araka ny tatitry ny mpanara-mason’ny fifidianana avy eto an-toerana sy avy any ivelany. 80 amin’ireo kandidà 473 voaraikitra anarana no vehivavy, tamin’ity taona 2024 ity ary 58 amin’ny distrika 120 no nahitana kandidà vehivavy.