Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Korea, nandritra ny fihaonana an-tampony Korea-Afrika. Anisan’izany ny mahakasika ny harena an-kibon’ny tany, eo koa ny fampiroboroboana ny fambolena. Maro ny fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta, mandritra izany fiaraha-miasa izany. Anisan’ny vokatsoan’ny fihaonana antampony Korea-Afrika izao. Raha tsiahivina, mifanindran-dalana amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana mba ho fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny famerenana an’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina izao. Mbola misy ny fikarohana fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra hafa, ataon’ireo tomponandraikitra any an-toerana.
Nisy vokany avy hatrany ny fihaonana antampony Korea-Afrika. Ankoatra ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa momba ny harena an-kibon’ny tany, nisy koa ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavana momba ny fampiroboroboana ny fambolena, indrindra ny famokaram-bary eto Madagasikara. Vonona hanohana ny firenena malagasy amin’ny fananganana “complexe rizicole” ny firenena koreana. Manomboka amin’ny famokarana, mandalo amin’ny fanodinana, hatrany amin’ny fivarotana dia ho hita ao anatin’io Complexe io avokoa. Tafiditra ao anatin’io fifanarahana io ihany koa ny famokarana masomboly, ny fizarana ireo teknolojia vaovao amin’ny famokarana masomboly izay mahatanty ny fiovaovan’ny toetry ny andro ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo teknisianina.
Lin