Ceni : amin’ny 11 jona ny voka-pifidianana vonjimaika

“Raha 15 andro no omen’ny lalàna ny Ceni ahazoany mikirakira vokatra, tsy tratra aoriana, angamba, raha ny 11 jona no hanatanterahana ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika”. Io no nambaran’ny mpampakatenin’ny Ce­ni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny voka-pifidianana vonjimaika. “Tsy afa-manova voka-pifidianana izahay, fa anjaran’ny HCC ny mandinika ny vontoatin’ny fitanana an-tsoratra. Na ny tarehimarika iny, na ny zava-nitranga”, hoy kosa izy, manoloana ny fifandroritana amin’ny voka-pifidianana. La­zain’ny lalàna fa azon’ny kandidà atao ny mangataka fampitaham-bokatra any amin’ny foiben’ny Ceni.
Amin’ny distrika misy biraom-pifidianana 350, ohatra, ka ny enina na folo amin’izay no avoakan’ny Ceni izay hafa ny kandidà mitarika. Ny olona any amin’ny distrika na ny kandidà efa manana vokatra feno: hafa no hitany mitarika. Toy ny hoe misy hosoka ao anelanelany hoe: maninona no tsy mitovy ny vokatra? Nefa mpitranga izany. Na any amin’ny antsasaky ny birao fandatsaham-bato aza no azo, mbola misy fiovana. Miankina amin’ny safidin’ny any an-toerana ny fiovan’ny vokatra, fa hafa ny fironana mitaha amin’ny vokatra efa voaray. Mety mampitsimbadika vokatra izay. Tsy voatery ho hosoka na halatra izany, fa tena mandeha amim-pahamarinana.
“Koa aoka mba hiandry amim-pitoniana ny vokatra vonjimaika avoakan’ny Ceni sy ny vokatra ofisialy avoakan’ny HCC. Tsy manakana izahay hoe aza avoaka ny vokatra atsy na aroa, fa aoka mba ho vokatra marina sao sanatria mivadika ny vokatra avoaka fa tsy amim-pahamarinana”, hoy ihany izy

R. Nd.

Partager sur: