An-jatony ny fitoriana na fitarainana voarain’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Ambohidahy, amin’izao, ny amin’ny fifidianana depiote tamin’ny 29 mey lasa teo, araka ny loharanom-baovao iray. Votoatin’ny fitarainana na fitoriana amin’izay ny momba ny isam-bato misy fiovana, ny amin’ny kara-pifidianana, ny olona tsy tokony hifidy nefa nandatsa-bato…
Nambaran’ny mpandrindra ny Celulle de crise, «Diovy i Madagasikara», Ralaiseheno Guy Maxime, omaly, fa tsy mitondra fitoniana ny amboletram-pifidianana depiote fa mankany amin’ny korontana, fisaraham-bazana, fifandonana. Mety hitondra any amin’ny fiverenan’ny tantara aza izany amin’ny hetsika politika marolafy. Tsy vahaolana maharitra ny fifidianana tamin’ny 1991, 2001, 2009…
Niverina nivory ny eny anivon’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, omaly, ary nanapaka ny fandaharam-potoana sy ny lahadinika hatramin’ny 1 jolay hifaranan’ny fivoriana ara-potoana. Izay ihany koa no fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny depiote amperinasa amin’izao. Anisan’ny andrasana amin’izany ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2024.
Nandefa taratasy ho an’Andriamatoa Praiminisitra, mahakasika ny fisamborana sy fitazonana ny solombavambahoaka, amperinasa, Masy Goulamaly, ny avy eo amin’ny birao maharitry ny antenimierampirenena. Nambarany tao anatin’izany fa tsy ara-dalàna, ary maro ny lalàna voadika amin’izao fitazonana ity solombavambahoaka ity izao.