Mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ny tetikasa Ambatovy, amin’ny maha orinasa tomponandraikitra azy. Nisitraka rano fisotro madio ny mponina any Andasibe.
Tany an-tsaha, sady tsy azo antoka ny fahadiovan’ny rano fisotron’ny mponina sasany any amin’ny fokontany ao anatin’ny kaominina Andasibe, distrika Moramanga. Voavaha ny olana, satria nanamboatra fotodrafitrasa famatsian-drano ho azy ireo ny orinasa Ambatovy. Miisa 10 ny lavadrano natao, ahitana paompin-drano atosi-tanana, mitentina 300 tapitrisa Ar. Mahatratra 1 400 ny mponina misitraka izany, avy amin’ny tokantrano 264, monina any amin’ny tanàna 5 (Sakalava, Mahavoky-Mahatakatra, Antaralava, Sahavariana ary Mangarivotra). Mamoaka rano 1 000 litatra isan’ora ny paompy iray. Nanangana ny fotodrafitrasa ny orinasa Bush Proof, ka notokanana ny 14 novambra teo, tany Menalamba, fokontany Mangarivotra, distrika Moramanga izany.
Ampahany faharoa
Nilaza i Nicolas Descraques, talen’ny fampiasam-bola sy ny mahakasika ny fiarahamonina ao amin’ny orinasa Ambatovy, fa «tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina, manodidina ny toeram-pitrandrahan’Ambatovy izao hetsika izao. Voarakitra ao anatin’ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) ny olan’ny rano fisotro, ka mitondra ny anjara-birikiny Ambatovy. Tafiditra ao anatin’ny drafi-pitantanana momba ny tontolo iainana sy ny sosialin’ ny orinasa (PGES), ary ny torolalan’ny OMS mahakasika ny kalitaon’ny rano fisotro madio».
Dingana faharoa amin’ny tetikasa famatsian-drano ataon’Ambatovy izao natao izao. Miisa 450 ny mponina nisitraka rano fisotro tamin’ny taona 2022, avy amin’ny tanàna miisa 6 manodidina ny toeram-pitrandrahana. Nantsangana ny Komity mpitantana ny rano (Coges), izay nomena fiofanana amin’ny fitantanana sy ny fikojakojana maharitra ny fotodrafitrasa.
Njaka Andriantefiarinesy