Tontosa omaly, teny amin’ ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA) eny Ampahibe, ny fifamindram-pitantanana arakasa teo amin’ny sampandraharaha misahana ny fiarovana eo anivon’ny MFA. Misolo toerana ny tale teo aloha, ny Jly Jaonasy Autruck, ny tale vaovao, ny capitaine de vaisseau Berarazana Patricio. Lanonana nizotra teo ambany fitarihan’ny tale jeneraly misahana ny teti-pivoarana sy ny fanomanana mialoha ny teti-panoron’ny MFA na DGPS, ny Jly Rajaonarison Volamanana. Nandritra izany no nisaorany manokana ny tale teo aloha izay nitondra ainga vao nandritra ny nitantanany ity sampandraharaha ity. Nitsodrano ny tale vaovao kosa izy hahavita be amin’ny adidy sy andraikitra sahaniny. «Miainga ao amin’ity sampandraharaha ity avokoa ireo paikady rehetra hametrahana fandriampahalemana no sady hiankinan’ny fiarovana ny vahoaka», hoy ny talen’ny DGPS. Efa kaomandin’ny 2è BIMA any Antsiranana ny capitaine de vaisseau Berarazana Patricio.
J.C