Global Entrepreneurship Week (Gew) 2024: Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny fandraharahana

Antoka ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fahaiza-manaon’ny tanora ny fandraharahana. Hitondra ny anjara birikiny ho an’ny fampivelarana izany ny fankalazana ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew).

Fotoana iray hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew) 2024. Tanjona ny hampirisika ny tanora sy ny vehivavy handraharaha. Hisy ny tohana isan-karazany zaraina amin’ireo maniry te hiantsehatra sy efa tafiditra ao anatin’izany mandritra ny fankalazana ny Gew, amin’ity herinandro ity. « Tanora avokoa ny 70% ny Malagasy saingy ny 10% ihany no mirotsaka eo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Antony indrindra nametrahan’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny tetikasa Mifanohi­tra. Kendrena manokana ny hampahaleo tena ny tanora sy hiray hina ary afaka misitraka ny zony », hoy ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena (MJS), Jean Claude, tamin’ny lahateniny, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Gew tetsy Anosy, omaly. Tokony hamafisina, hoy izy, ny fahafahan’ny tanora miasa amin’ny alalan’ny fanofanana azy ireo hahomby sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny toekarena.

Tombontsoa
Zava-dehibe ny idiran’ny tanora eo amin’ny sehatry ny fandraharahana mba hampivelatra ny fahaiza-manaony sy hisitrahany ireo soa fanararaotra ao anatin’izany. Maro ny hetsika karakarain’ireo mpiara-miombon’antoka ho fampiroboroboana ny fihariana mandritra ny Gew 2024. « Hitondra vokatsoa ho an’ny tanora sy hampiroborobo ny fototr’asany ny hetsika », hoy ny tale jeneralin’ny Tanora eo anivon’ny MJS, Raharijaona Arlette.
Entanina ny tanora ho tia mandraharaha sy hanana toe-tsaina mpandraharaha manomboka any am-pianarana hatrany amin’ny sehatrasa samihafa. Tanjona ny hampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana sy ny toekarena ary ny famoronan’asa.

Henintsoa Hani

Partager sur: