Kianja Barea: hiaraka ny Tsenaben’ny fizahantany sy ny asa tanana

Hatao miaraka ao amin’ny Kianja Barea Maha­masina, ny 21, ny 22 ary ny 23 novambra ho avy izao, ny Tsenaben’ny fizahantany (TBF) andiany faha-8, sy ny Tsenaben’ny asa tanana (TBA) andiany voalohany. Miaraka mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany (ONTM) ary ny Foibem- pirenena ho an’ny asa tanana malagasy (Cenam).
Tsy ho azo dinganina ity fotoana ity ho an’ireo mpizahatany eto an-toerana mitady toerana mahaliana hotsidihina amin’ny fialantsasatry ny faran’ny taona izao. Hisy ny fihenam-bidy hatolotr’ireo mpandraha­raha ara-pizahantany. Hisongadina koa ny vita malagasy ho an’ny asa tanana. Manodidina ny 2 500 m2 ny toerana malalaka hanaovana ny TBF sy ny TBA, ahitana tranoheva 37. Ahitana ny Ofisim-paritry ny fizahantany (ORT) rehetra, ny trano fandraisam-bahiny sy/na fisakafoana, ny kaompania Madagascar Airlines, ny mpandraharaha matihanina samihafa, ny foibe fano­fanana, sns.

Njaka A.

Partager sur: