Laharam-pahamehana ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (PLFI) 2025 ny sehatry ny angovo sy ny famokarana. Hanova famindra tanteraka ny fitondram-panjakana ka ho « ampitomboina 562 miliara Ar ny tetibolan’ny minisiteran’ny Angovo ho fanampiana ara-pitaovana ho an’ny famokarana herinaratra », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, nandritra ny fanolorana ny PLFI 2025 teny amin’ny Antenimierampirenena. Nohamafisin’ny minisitra fa natao ho vahaolana maharitra ny fanampiana ara-pitaovana raha toa ka tsy nahafapo ny vahoaka ny fanampiana ara-bola natao ho an’ny Jirama.
Ankoatra izay, mitentina 573 miliara Ar ny tetibola natokana hividiana masomboly vaovao ho an’ny famokaram-bary, hampiakarana ny vokatra eto amintsika. Noho izany, ahena 10% avokoa ny fampandehan-draharaha andavanandro sy ny famindrana vola ho an’ny rafitra rehetra tsy ankanavaka, hoy hatrany ny fanazavany. Voaresaka nandritra ny famelabelarana nataony, vinavinaina hampakarina ho 5% ny tahan’ny harinkarena faobe amin’ny taona 2025 noho ireo ezaka efa vita tamin’ny fanavaozana an’ireo lalàna isan-karazany mifehy ny seha-pihariana maro. Ahitana vokany eo amin’ny toekarena ihany koa ny fanavaozana rehetra eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny fanalalahana ny tontolon’ny fifandraisan-davitra ary ny fanatsarana ny lalàn’ny fampiasam-bola (code des investissements) sns.
Ankoatr’izay, hisy ny hetra 0,5% alaina amin’ny fandefasana vola amin’ny alalan’ny finday (mobile money). Hisy ihany koa ny hetra alaina amin’ny fampidirana, fampiasana sy famarotana ny vokatra plastika rehetra eto Madagasikara.
Henintsoa H.