Miroso ny fanatanterahana ny tetikasa Volobe. Notokanana ny 15 novambra teo ny birao hiasan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa Kaompania jeneraly mahakasika ny tohodranon’i Volobe (CGHV) any Ambodimanga, kaominina Ambodilazana, Toamasina II. Napetraka tamin’ny 8 aogositra ny vatofototra, ka naharitra 3 volana ny asa amina velaran-tany 800 m2.
Hanana tanjaka 120 MW ny herinaratra avy amin’ny tohodrano any Volobe, hamokatra 750 GWh isan-taona. Hanampy ny tanjaky ny herinaratra amin’ny Tambajotra iraisan’i Toamasina (RIT) sy ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Marihina fa fotodrafitrasa faharoa ity hatsangana ity, Volobe II, satria efa misy ny tohodrano mamokatra herinaratra any an-toerana.
Tetikasa goavana, andrasana koa, ny fanatanterahana azy, dia ny fananganana tohodrano mamokatra herinaratra Sahofika. Hanana tanjaka 200 MW sy hamokatra herinaratra 1 500 GWh isan-taona.
Sajo sy Njaka A.