Vory lanona ny vahoakan’Ambohimirary, omaly, nihaino ny kandidà Harilala Ramanantsoa, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony teny amin’ny boriborintany fahadimy. Tao anatin’izany no niresahan’ity kandidà ity tamin’ny vahoaka sy nampanantenany ny fanovana ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny tanànan’Antananarivo.
Hisy ny adihevitra iarahana amin’ny
kandidà milatsaka hofidina ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, eny amin’ny Centre Arrupe Faravohitra, anio. Handray anjara amin’izany i Harilala Ramanantsoa, Monja Roindefo, Randriamampionona Jean Martin, Razafinjoelina Tahina ary Razanamasy Ndriana.
Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fahalanian’ny mpitsara Rakotondrajery Salohy ao anatin’ny «Cour de Justice» eo anivon’ny Comesa indray. Raha tsiahivina, fanindroany amin’izao ity Malagasy ity no voafidy ho eo amin’ny toerana “Division appel de la cour de justice” eo anivon’ny sehatry ny fitsarana, Comesa.