Fahaleovan-tena ara-tsakafo: Notolorana masomboly sy zezika biolojika ny MJS

Nanolotra hanam-pamokarana ho an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo, omaly, tetsy Mahamasina.

Nahitana zezika biolojika, karazana masomboly : katsaka, tsaramaso, voatabia, sy ny maro hafa ny tolotra. Hovolena eny amin’ny tanin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, eny Ankorondrano, ireo tolotra ireo. Hanatanteraka ny fambolena sy ny fikarakarana ny voly ny tanora eo anivon’ny minisitera. Notolorana fitaovam-pambolena, toy ny arrosoire, gony, borety, angady sy ny maro hafa ihany koa izy ireo mba hahafahany mamoaka ny vokatra. Amin’ity taona ity, handray tanora maro isika eto Madagasikara amin’ny “Youth Connect”. “Haseho amin’ireo tanora ireo fa afaka mamboly ny tanora malagasy”, hoy ny minisitra, Marson Moustapha Abdoulah. « Ilaina ny fahaleovan-tenan’i Mada­ga­sikara ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fananana ireo toerana maro, entina mampivelatra sy mampitombo ny fahalalana ananany », hoy hatrany izy.
Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena nahafahana nanao ny hetsika. “Anisan’ny vahaolana lehibe iray ahafahana mahatratra ny tanjona amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo izao fiaraha-miasa izao”, hoy kosa ny sekreteram-panjakana misahana ny Faha­leovan-tena ara-tsakafo, Ta­hian’Ny Avo Razanama­hefa. Nambarany fa tokony hisehatra amin’ny fambolena isika mba hahafahana misakafo sy hitondra fampandrosoana eo amin’ny tontolo ambanivohitra sy an-drenivohitra. “Hanatsa­rana ny kalitaon’ny sakafo sy ny vokatra amin’ny alalan’ny fanomezana sakafo tsara kalitao ny malagasy”, hoy hatrany izy.

Mino

Partager sur: